Actualités

Minisitry ny fitsarana “Tena tsy nety ny nataon’i Fanirisoa Ernaivo”


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Hofoanana tanteraka ny fifaninanana farany teo na mikasika ny mpitsara na ny mpiraki-draharaha hidirana ao amin’ny sekoly ENMG, hoy ny minisitry ny fitsarana Harimisa Noro Vololona omaly.

 

 

Tsy nadio ary mitarika fahavoazana ho an’ny firenena io. Hita fa tena maro ny tsy fandehanan-javatra tamin’ny fifaninanana farany, ary nitarika ny tsy fahadiovana. Mikasika ny raharaha Fanirisoa Ernaivo, dia misy ny olona tsy nahita sy tsy nandre dia nitsara avy hatrany ny minisitra hoe nanao fananararaotam-pahefana. Ny zavatra tiako homarihina dia ny fihetsika nataon’ilay mpitsara dia tsy misy fanapahan-kevitra amin’ny maha kandida azy fa amin’ny maha mpitsara. Ny teny izay nataony sy niloaka ny vavany dia nanohina olona maro, indrindra ny fianakavian’ny maty,  ary fandikan-dalàna handrisihana olona hanao zavatra tsy hifanaraka amin’ny lalàna, fihantsiana amin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy mifanaraka amin’ny etika sy ny deontolojia, hoy ny minisitry ny Fitsarana. Mpianatro izy ary niofana tao amin’ny sekoly, ary ankohonako zanako, kanefa manoloana ny zavatra heverina ho mihoa-pefy dia nandray andraikitra ny tena. Tiako anefa ny manamarika fa ara-dalàna ny zavatra ataon’ny minisitry ny fitsarana. Nialoha iny dia nisy ny fandraisana ny hevitry ny filohan’ny rafi-pitsarana, izay nanaiky. Ny fanapahan-kevitry ny minisitra dia fampiatoana, izay fanapahan-kevitra vonjimaika. Tompon’andraikitra ny CSM amin’ny didy raikitra horaisina amin’ny farany. Namoaka fanambarana kosa ny Sendikan’ny Mpitsara na ny SMM, izay niaiky fa nisy ny fihoaram-pefy nataon’i Faniry Ernaivo. Marihina fa efa niaiky ampahibemaso ny hadisoany izy, ary nanao fialantsiny, hoy ny mpitantana ny sendika. Mampahatsiahy izahay ato amin’ny SMM fa maro ihany koa ny tranga tsy fanarahan-dalàna nodradraina teto amin’ny tany sy ny fanjakana nefa hatramin’izao tsy nandraisan’ny fanjakana fepetra, ka mangataka izahay ny tsy hisian’ny fitanilana amin’ny fitantanana sy ny fanenjehana ny tsy mety, hoy ny SMM.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT