Tsy nitokona ary tsy mitokona izany ny polisim-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro, hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka Rafanomezantsoa Roger.
Ny alahady teo aza, raha ny filazany dia nisy ny polisy niasa nandamina ny fifamoivoizana, ary omaly vao tamin’ny 5 maraina dia efa nanomboka niasa tamin’ny toerana misy azy ireo mpandrindra ny fifamoivoizana. Niasa izy ireo na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritany. Manara-maso ny mety ho fandikan-dalana ataon’ny fiara sy ny moto izy ireo mandritra izany. Tsy mahazo mampiato ny asany amin’ny maha mpitandro ny filaminana azy ny polisy, hoy ny minisitra; miaro ny zon’ny mpikambana no anjara asan’ny sendika fa tsy migrevy, tsy mampiato asa. Nambarany fa hisy ihany koa ny paikady sy fomba fiasa vaovao ataon’ny polisy atsy ho atsy momba ny fanaraha-maso na fisavana ny taratasina fiara, mba hisorohana ny mety hisian’ny kolikoly araka ny fitarainan’ny olona. Izay no fanazavana ofisialy, fa raha ny hita nanomboka ny zoma, sabotsy ary alahady aloha teto an-drenivohitra dia tena vitsy dia vitsy mba tsy ilazana hoe tsy nisy ny polisy niasa. Tsy nisy ny fisavana ireo fiara mandeha amin’ny alina fa dia nalalaka ny lalana. Mbola sahirana nivory andro aman’alina ary ve ny polisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo no tsy hita sa nanao inona marina ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.