Iray andro taorian'ny fandraisany toerana amin'ny maha minisitry ny filaminam-bahoaka azy dia tonga nanome voninahitra ny andron’ny manamboninahitra lefitra tany amin'ny ENSOA
Antsirabe ny minisitra vaovao ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys. Tafiditra indrindra ao anatin'ny Politika ankapobeny hitondrany ny minisitera hanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ireo antokon-draharaha hafa misehatra amin'ny fandriampahalemana, izao fiarahana amin'ny Tafika malagasy izao izay samy mpiara-miombon'antoka lehibe amin’ny fiahiana sy fampanjakana ny fandriampahalemana (gouvernance sécuritaire). Nitsidika ihany koa ny sekolin'ny Polisim-pirenena tany Antsirabe izy ary nanomezany toromarika ho an'ireo lehiben'ny Polisy any an-toerana fa ny polisy manakaiky vahoaka ary hitokisan'ny vahoaka no ilainy hiampita amin'ny mpiarabelona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.