Nivoaka tamin’ny fahanginany ary naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny raharaha mikasika ny fitsaram-bahoaka niseho tato ho ato
, toy izay hita tany Antsakabary farany teo ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Beni Xavier Rasolofonirina. Araka ny fantatra dia 16 no trangana fitsaram-bahoaka voarakitra an-tsoratra tao anatin’ny 6 volana. Manoloana izany dia nanao antsoavo amin’ireo seham-pitandroana ny filaminana isan-tokony ny minisitra mba hijoro ho mpiaro ny vahoaka fa tsy sanatria ho hery famoretana azy ireo. Tsy azo ekena intsony, hoy izy, raha mbola maharitra eto ny fitsaram-bahoaka. Toy ny fiaikena fa nisy hadisoana avy amin’ny mpitandro filaminana no mampirongatra ny fitsarambahoaka ve ity fanambaran’ny minisitra ity? tazana tetsy amin’ny toby RM1 etsy Analakely, nandritry ny fanoloran’ny vadin’ny filoham-pirenena ireo kojakoja ilaina amin’ny fitsaboana ireo miaramila ao amin’ity toby ity moa ny tenany io maraina io ary dia nampita vaovao ihany koa fa tokony efa ho tomombana amin’io volana ho avy io ihany koa ny toeram-pitsaboana (infirmerie) ho an’ireo miaramila ao Antsiranana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.