Be loatra ny lanjan’ny minisitry ny atitany Olivier Mahafaly Solonandrasana raha noharina tamin’ny halavany ka izay no niteraka krizy sy aretina taminy.
Mialoha ny nandidiana azy tao amin’ny HJRA ny 06 martsa 2016 tokoa mantsy dia nilanja 104 kg raha toa ka mirefy 1,76 metatra ity minisitra ity. Niteraka fikorontanana tao anatin’ny vatany io habeny diso tafahoatra io ka nampihetsika krizy. Nanao dokotera tena ka nihinana « aspirine » ingahy minisitra, araka ny fantatra ka io no niteraka fahavakisan’ny ra tao anatin’ny vatany no sady nahatohina ny voany. Ny 08 martsa no tonga tany amin’ny Nosy La Réunion ka nanaraka fitsaboana ny minisitry ny atitany. Efa nihena be ny lanjany ary tsy misy atahorana intsony ny amin’ny ainy. Tsy mitombina ny filazana fa nisy nanapoizina ny minisitra Olivier Mahafaly Solonandrasana, raha araka ny fitsirihana rehetra natao taminy fa tena aretina tsotra no nahazo azy. Na izany aza anefa dia fantatra fa olona be tosidra ity minisitry ny atitany ity ary raha tsy mitandrina dia mety hiharan’ny olana amin’ny resaka fo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.