Actualités

Minisitra Solonandrasana Olivier Mahafaly Tsy misy atahorana intsony ny ainy


  • Alarobia 09 Martsa 2016

Nivoaka omaly ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny governemanta ka nahafantarana fa efa hatramin’ny alahady no narary mafy ny minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana Solonandrasana Olivier Mahafaly

 

, niatrika fandidiana teto Madagasikara izy ary avy eo nalefa atsy amin’ny nosy La Réunion, araka ny efa notaterina teto ihany omaly.Na dia mbola tazonina ao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Félix Guyon Belle-Pierre aza ny minisitra dia efa tsy misy ahiana intsony ny amin’ny ainy raha araka ity fampitam-baovao ity.Ankoatry ny fameloman’aina natao taminy dia efa nahazo ny fanafody hitsaboana azy ny minisitry ny atitany ary mbola hiatrika fitsirihana maro samihafa indray avy eo.Tsy nisy filazana mazava ny amin’ny aretina tena nahazo marina ity minisitra ity , ny hany nambaran’ny tatitry ny governemanta dia ny hoe : efa miverina miasa ara-dalàna ny taova ao anatiny ary tsy nisy akory ny fahapotehana.Fanazavana izay toa midika avy hatrany hoe nanana olana tamin’ny taova tao anatin’ny kibony ny minisitra Solonandrasana Olivier Mahafaly ka izay no nitarika ny fanaintainana mafy sy ny faharerahana ka tsy maintsy nampidirana hopitaly azy maika sy nandidina azy avy hatrany.Manara-dia azy any an-toerana moa Rtoa vadiny, mpitsabo mirahalahy  ary minisitra roa ao amin’ny governemanta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT