Ny sabotsy antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora sasany no namoy ny ainy tany Mahajanga ny minisitry ny angovo Rodolphe Ramanantsoa, minisitry ny angovo sy ny akoran’afo.
Niala sasatra ity minisitra ity no izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. « Ny fiakaran'ny tosidra nandritra ny diany tany Mahajanga faritra Boeny no nitarika ny fahafatesany tampoka », raha ny tati-baovao nivoaka tao amin’ny pejy fesiboky « Primature - Lapan'i Mahazoarivo » io sabotsy io. Ny loharanom-baovao hafa indray milaza fa nihinana ireny « huitre » tany Maroala, Mahajanga II, toerana nandehanany izy, ka tombanana ho fanapoizinana ara-tsakafo no nahavoa azy. Tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory izy dia efa tapitra ny ainy, hoy ny mpitsabo nandray azy. Voatery nentina niverina ny vata-mangatsiakany ka napetraka tao amin’ny biraon’ny Jirama ao Mahajanga Mahavoky Avaratra. Niaretan-tory tao amin’ny Lapan’ny Faritra Matsiatra Ambony ny nofomangatsiakan’ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe halina. Hihazo an’Ambalavao ny razana anio alatsinainy 22 aogositra, aorian’ny famangiana hotanterahan’ny mambran’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier. Rahampitso talata ny nofo mangatsiakan’i Zaka, araka ny fiantson’ireo niara-lehibe taminy azy no hoentina any Ambinanindovoka, ao Iara fokontany Volafotsy, tanàna handevenana azy. Efa minisitry ny angovo tao amin’ny governemanta Camille Vital tamin’ny tetezamita Ramanantsoa Rodolphe. Namela mananontena sy kamboty mianadahy izy izao nindaosin’ny fahafatesana tany Mahajanga izao.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.