Actualités

Minisitra roa nifamaly teny Ivato Tsy fifankahazoana sa fialonana ?


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Gaga avokoa ireo ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny distrika ary ireo lehiben’ny faritra, indrindra fa ireo vahoaka niatrika ny famaranana ny kongresin’ny lalana sy fitaterana natao tao amin’ny CCI Ivato ny zoma hariva teo

Vao nandray fitenenana ny minisitry ny atitany, tsy hay na voairaka manokana na ahoana , fa avy hatrany dia kabary milaza fa raha tsy tamin’ny alalany dia tsy tontosa tahaka ireny ny kongresy natao satria baiko avy aminy araka ny nambarany no nahatongavan’ireo ben’ny tanàna 1.549 sy ireo lehiben’ny distrika 119 ary ireo lehiben’ny faritra 22. Ny zavatra hita anefa nandritra ny 3 andron’ny kongresy dia tsy niatrika ny adihevitra tamin’ireo kaomisiona ireo lehiben’ny faritra fa nampivorian’ny minisitry ny atitany tany amin’ny toeran-kafa avokoa. Ireo PDS napetraky ny fanjakana ihany koa tratran’ny toy izany satria tsy nisy tazana nandritra ny fivorian’ny kaomisionina izy ireo. Namaly ny natao azy nivantana ihany koa ny minisitry ny asa vaventy amin’ny maha-mpanomana sy mpikarakara azy ny kongresy, izay nilazany nivantana ihany koa fa fahantrana mbola mila harenina eto amintsika ny fahantrana ara-toe-tsaina ory hava-namana mahavita satria raha izay no voaarina araka ny tenin’ingahy Roland Ratsiraka dia miara-mirona ny Malagasy rehetra sy ny mpitondra ny firenena, ka ho tena tonga marina ny fampihavanana entin’ny fahavitan’ny lalana izay efa hatomboka ankehitriny. Ho hita eo moa ny tohin’ity zava-nisy teny Ivato ity, satria lasa adihevitra eo amin’ny minisitra “HVM” ny fahombiazan’ny kongresy momba ny lalana iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT