Actualités

Minisitra Onitiana Realy Nanolotra masomboly ho an’ny any Atsimo


  • Talata 29 Novambra 2016

Tamin’ny fitsidihana nataony tany amin’ny faritra Atsimon’ny nosy iny tamin’ity tapatapaky ny volana novambra ity, dia nanolotra masombolina katsaka sy antaka (dolique) ho an’ny mponina tany Androy

 tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana ny vehivavy, ny minisitra Onitiana Realy, mba ho fanomanana ny fotoam-pambolena ho avy izao. Nisitraka izany ny tokantrano niisa 3 000 tao amin’ny kaominina 3 ao amin’ny distrikan’Ambovombe dia Ambanisarike, Ambonaivo ary Ambazoavao. 3 ihany koa tao amin’ny distrikan’i Beloha dia Beloha, Tranovaho ary Ikopoky. Nahazo ny anjara tandrify azy koa anefa ny tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ka tokantrano 5 000  no nomena tao amin’ny kaominina 3 tao Ampanihy dia i Fotadrevo, Ejeda ary Gogogogo. 3 hafa tao amin’ny distrikan’i Bekily dia tao Bekitro, Belindo ary Bevitrika. Tamin’ny ankapobeny dia fianakavina niisa 500 ka hatramin’ny 1 000 isaky ny kaominina no nisitraka ity famatsiana masomboly ity tamin’izany. Mba tsy ahazoan’ireo fianakaviana nomena masomboly ireo fakampanahy hihinana ireo masomboly sanatria, dia notolorana mangahazo 5 kilao isam-pianakaviana izy ireo ataony  vatsy. Ankoatra izay fanampiana ara-pambolena nataony izay dia mbola nanolotra fitaovam-panjonoana, toy ny harato sy fitaovana hafa ho an’ny fikambanana mpanjono niisa 10, tao amin’ny kaominina Tranovaho sy Ambazoavao tany amin’ny Faritra Androy koa ramatoa minisitry ny mponina tamin’ity diany ity ary nanomana ihany koa ny fanombohana ny tetikasa Vatsin’Ankohonana any amin’iny Faritra Androy iny ihany.   

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT