Actualités

Minisitra ny fitsarana teo aloha Hogadraina noho ny raharaha kolikoly ?


  • Zoma 22 Martsa 2019

Hadihadiana noho ny raharaha kolikoly teo anivon’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny ENMG ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Rasolo Elise Alexandrine amin’izao fotoana izao, raha ny resaka mandeha.

 


Niakatra teny anivon’ny PAC (Pole Anti-Corruption) ny 15 martsa teo ny raharaha. Tsiahivina fa ny
6-7 febroary 2018 no nanatanterahana ny fifaninana, izay nofoanana noho ny fiahiahiana resaka kolikoly. Niteraka resabe sy ahiahy ny fandorana ireo antontan-taratasim-panadinana. Nohidiana teo imason’ny vadin-tany ny trano nisy izany mba hitandroana ny hasin’ny fanadinana, saingy novohaina nakana ireo taratasy nodorana. Nilaza ny Bianco teo anatrehan’ny zava-nisy fa zava-dehibe tsy azo ihodivirana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fanaraha-maso ny fifaninanam-panjakana. Antoka lehibe hahafahana mampitovy ny zanaka Malagasy amin’ireny fifaninanam-panjakana ireny ihany koa, ka ny fahaizana no tena hikaonty. Nilaza anefa ity sampan-draharaha ity, fa tsy nahalala ny resaka famakiana ny toerana nanidiana ireo taratasim-panadinana niraketana ireo dosie, ny firaketana an-tsoratra, ary ireo dosie isan-karazany taorian’ny fandorana ireo antontan-taratasy. Ireo dosie samihafa dia sokajiana ho tokony ilaina amin’ny fanadihadiana momba ny fiahiahiana kolikoly tamin’ity fanadinam-panjakana ity, saingy nodorana. Nanamafy ny Bianco fa vao mainka nanamafy ny fahaverezan’ny fitokisan’ny olom-pirenena amin’ireny fifaninanam-panjakana ireny ny toe-javatra niseho tamin’iny raharaha ENMG iny. Nalaza tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny raharaha Houcine Arfa, izay nisian’ny filazan’ity farany fa nanome vola 70 000 euros ho an’ny minisitra ho tambin’ny fanafahana azy. Na izany na tsy izany dia nisy ireo nijoro sy niaro, fa tena hentitra sy tsy azo hinoana hanao kolikoly ity minisitra ity, ka ho hita eo izay ho tohiny. Marihina anefa fa ny Fitsarana Ambony na ny HCJ no tena afaka manao ny fanenjehana, miainga amin’ny fankatoavan’ny depiote maro an’isa eny amin’ny antenimiera.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT