Tompondakan’ny fisehosehoana ny mpitondra tamin’ity fitondrana HVM ity miohatra tamin’ny fitondrana mifandimby teto.
Manempoka tsy misy tazana raha anontaniana vahaolana momba sosialim-bahoaka, na manao valy boraingina rehefa mba hita toy ny amin’ity resaka delestazy ity, izay re indray izao fa mbola hampihafiana hatramin’ny volana novambra ny vahoaka fa hoe any io vao mety hilamina. F’angaha moa tsy hoe telo volana taorian’ny janoary 2014 nandraisana ny fahefana indray dia foana ny delestazy e ? Dia izao minisitra efa ho dimy be izao no any New York any mamonjy an’ity fivoriamben’ny Firenena Mikambana, manginy fotsiny ireo delegasiona miara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika. Moa va tsy efa fanjakana kely mihitsy no nafindra any New York ? Fa hanao inona any daholo amin’izato fandaniana mihoapampana aterany ? Inona no andrasana any ? Hampiova ny fiainan-dramalagasy ve ? Maha kely finoana ny amin’izany. Mbola miankina amin’ny dian’ny iraky ny Tahirimbola Iraisam-pirenena nandalo teto ary ny fivorian’izy ireo any Lima (Pérou) amin’ny tapatapaky ny oktobra io ny vola ho azon’i Madagasikara. Ny vola izany tsy azo akory dia efa mirobaroba amin’ny fandaniana ny mpitondra. Olona iray mankany Etazonia izany anie ka farafahakeliny 6 tapitrisa Ariary e, ny saram-piantranoana sy ny sakafo isan’andro amin’io tsy resahina. Andrasana moa raha ho sahy hampahafantatra amin’ny Malagasy ny saran’ny fandanian’ny delegasiona Malagasy tany Etazonia izy ireo raha tafaverina eto. Hatreto aloha dia maro no mihevitra fa angamba hanomana ny dian’ilay tovovavy nandrombaka ny fifaninanana kopi-kole ho avy any Etazonia ireto minisitra be dia be ireto, toy ny naman’izy ireo efa nanatitra azy tany Toamasina ny sabotsy teo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.