Narary mafy, ary voatery nampidirina hopitaly tao amin’ny HJRA Ampefiloha ny alin’ny alahady teo ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Mahafaly Olivier
Solonandrasana, rehefa avy nentina tamina klinika tsy miankina iray teto an-drenivohitra. Mifamahofaho be ihany ny aretiny, fa raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitsabo dia « mafimafy ny aretina » mahazo an’ity minisitra ity ka voatery nalefa any La Réunion omaly ihany manohy ny fitsaboana azy. Tsikaritra ho mbola salama tsara anefa ity minisitra ity ny alakamisy lasa teo teny Iavoloha fa dia aretina namely tampoka izany no mety nahazo azy, raha ny tsiliantsofina re dia ny aretina mahazo ny fo antsoina hoe « infarctus du myocarde » no manjo ny minisitry ny atitany.Andrasana izay fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny governemanta.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.