Nitondra fanamarihana eo anatrehan’ny fanakianana na fanenjehana mahazo ny fanjakana ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo,
eo anatrehan’ny fahatafidiran’ny coronavirus teto Madagasikara. Nanao fanintsiana manoloana ny resaka eo anatrehan’ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Nisy ny fanomezan-tsiny hoe : ny zotra avy any Eoropa teo anelanelan’ny 16 martsa hatramin’ny 19 martsa no nidiran’ny coronavirus. Tsy hoe ianao eto Antananarivo na eto Madagasikara ihany no tsinjovin’ny Filoha sy ny fitondram-panjakana, fa ny Malagasy rehetra hatrany ivelany : namita asa, na koa nitsangatsangana aza, nipetraka ary te hody,… izay Malagasy daholo, hoy izy. Tsy afaka hanilika na handà ny fidiran’ny terataniny eto Madagasikara, ka hoe misy teratany Malagasy te hody dia tsy raisin’ny fanjakana. Tsy afaka hanao izany ny firenena. Ny firenen-kafa aza dia mandefa fiaramanidina manokana haka ny terataniny. Ny Frantsay ohatra, dia in-telo naka ny terataniny teto Madagasikara, ka nisy ny sidina izay naka olona 300 mahery, fa kosa tsy nitondra olona niditra teto. Mba tsy rariny izany fomba fijery izany satria ny vahoaka Malagasy dia iray ihany na eto an-toerana na any ivelany, ka tsy rariny raha izany no hanenjehana ny fitondram-panjakana, raha ny nambaran’io minisitra io. Ny fotokevitra ara-politika dia hifanajana. Tsy zonao ny manaparitaka vaovao hankahalana ny fitondram-panjakana na “incitation à la haine”. Isan’izany ny Fikambanana Fitia izay mizara sakafo any amin’ny Hopitaly. Tsy zara aza ve mba misy manao tahaka izany? Panier garni: tantely, ronono, spiruline, voankazo,… teny Anosiala sy Andohatapenaka mba hanomezana hery ireo olona marary. Amin’ny fotoana tahaka izao ve dia mbola manana hangovo hanaovana tahaka izany? Hoy io minisitra io.
MAMPITANDRINA IREO HAINO AMAN-JERY MANIA
Azo atao ny mandefa mpitandro filaminana any amin’ireo haino aman-jery any amin’ireo haino aman-jery tsy manao miaramampita hampitana ny vaovao momba ny Coronavirus miainga eny amin’ny CCO Covid 19. Misy lalàna famaizana ho an’ireo minia mandà izany. Ankoatra io, ny minisitra tompon’andraikitra rehetra dia mandray ny andraikitra tandrify azy manoloana ny fitarainan’ny olom-pirenena, noho ny olana nateraky ny fanapahan-kevitra,… Adidin’ny fitondrana anefa no nandray izay ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro no nandraisana ny tsy fahafahana mivoaka na dia ekena aza fa tena miantraika. Mandeha ny ezaka sy ny fepetra ankapobeny raisin’ny fanjakana fa tsy ho voavaha amin’ny antsipirihana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.