Manova olona tokoa ny toerana. Olona anisan’ny noderan’ny maro i Horace Gatien, noho ny hatsilovan-tsaina sy ny hakingany ary ny fahaizana mandrindra asa
. Nony lasa minisitra anefa izy ka difotry ny politika dia tototry ny kiana ka matetika no manao valy boraingina rehefa ametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana amin’ny sahan’asany. Manoloana ny fanakianan’ny tantsaha any Behenjy amin’ny zava-doza ateraky ny firaondraonan’ireo gropy mpihary herinaratra ho an’ny Jirama teny Antanandrano-Ambohitrarahaba hafindra any Behenjy, amin’ny fiompiana, ohatra, dia milaza ingahy minisitry ny Angovo sy Akoranafo fa “gropy tsy mandeha akory ve dia lazaina fa mankarenin-tsofina ?”. Izany ve no mba valintenina minisitra tompon’andraikitra ? Efa fantatra izao fa ny toerana fotsiny anie no miova any Behenjy fa ny olana teny Antanandrano tsy mivaha satria dia hiraondraona hankarenin-tsofina ihany ireo gropy ireo rehefa tonga ny fotoana handehanany. Tsy mety amin’ny fiompiana gana fanaovana “foie gras”sy ny akoho mpanatody lava anefa ny tabataba ka izay no mampiaka-peo sahady ireo mpiompy any Behenjy. Valy boraingina no asetrin’ingahy minisitra Horace Gatien azy ireo fa hoe any amin’ny 3,5km miala ny tanànan’i Behenjy no ametrahana ny gropy. Fony mbola teny Antanandrano aza anie ny gropy ka hatrao Manjakaray sy Anjanahary, Ankorondrano hatrany Ambohimanarina any mandre tabataba avokoa e ! Sa izay tokoa angaha no tonga amin’ny tenin-jatovo hoe : misy mihaino ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.