Raha ny fandravana ny governemanta no nandrasan’ny maro dia ny fanilihana ny minisitry ny angovo, Fienena Richard, tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta intsony no nihazakazahan’i Hery Rajaonarimampianina natao omaly.
Hafa kely ihany koa no nanamarihan’i Madagasikara ny Andro iraisam-pirenena momba ny angovo, ny 22 oktobra 2014, dia ny fanilihana ny minisitry ny angovo, Fienena Richard. Ny nahagaga dia tsy nanisy resaka an’io ny tatitry ny filankevitry ny minisitra naparitaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny alina. Sa noraisina io fanapahan-kevitra io mba hanodidina ny saim-bahoaka tsy ho resaka Marc Ravalomanana hatrany no hibahana amin’ny vaovao eto an-toerana ? Sa ity fanilihana ny minisitry ny angovo ity no tao ambadiky ny tenin’ny mpanolotsain’ny filohan’ny Repoblika izay vao notendrena ho mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama, Atoa Rachidy Mohammed, herinandro lasa izay fa “efa ato ho ato ny vahaolana amin’ny delestazin’ny Jirama” ? Sa io no valin’ny fanadihadiana nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa hampanaovina manoloana ny fiakaran’ny fandaniana solika mihoapampana tao amin’ny Jirama ?
Tsy mankasitraka ny mizana tsindriana ila
Tsy niandry ela moa fa omaly hariva ihany dia efa naneho ny heviny ny Malagasy Miara-Miainga, tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny Hajo Andrianainarivelo fa “Tsy nisy fifampiresahana ny fanalàna ny Minisitry ny Angovo no sady Sekretera Jeneralin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga”. Nampiany fa “Tsy mankasitraka ny mizana tsindriana ila amin’ny fitsinjarana ny herinaratra eto amin’ny tany sy ny firenena nanerena ny minisitry ny angovo, izay nety nitarika fisaraham-bazana eo amin’ny samy Malagasy, indrindra eo amin’ny mponin’Antananarivo amin’ireo mponina amin’ireo faritra hafa”. Nitondra fanamarihana ihany koa i Hajo Andrianainarivelo fa “nanelingelina ny tombontsoan’ny olona manana tanana zatra mitsotra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Minisitra amin’ny fampitsaharana ny gaboraraka ny fitantanana ny orinasam-panjakana Jirama”. Mazava ny resaka eto fa dia ny fitantanana ny Jirama sy ny delestazy no nitarika ny fanilihana an’i Fienena Richard. Na eo aza anefa ity tsipaka ambavafo natao tamin’ny MMM ity dia milaza ny filoha nasionaliny fa “miandry izay tena hevitry ny Filoham-pirenena amin’izay tena hitantanany marina ny firenena izay tena ao anaty ny fahasahiranana tanteraka amin’izao fotoana izao satria anisan’ny nametraka io Governemanta io ny Malagasy Miara-Miainga araka ny fangataham-piaraha-miasa nataon’ny Filoham-pirenena”. Ny minisitry ny toekarena sy ny tetipivoarana, ny jeneraly Raveloharison Herilanto no handray an-tanana vonjimaika ny ministeran’ny angovo. Miandry ny rehetra raha hahavita hanalefaka na hanafoana ny delestazy sy ny gaboraraka ao amin’ny Jirama izao fanapahan-kevitra izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.