Hatry ny omaly hariva dia mbola nanaraka fitsaboana hentitra tao amin’ny « urgence » n’ny hopitaly HJRA ny minisitry ny fiompiana Randriamampionona Joseph na Dadafara no hahafantaran’ny olona azy kokoa. Araka ny fanadihadiana natao dia tazo miampy fahavizanana tanteraka (fatigue générale) no manjo an’ity minisitra ity
Sarotsarotra ihany moa no nikaroka ny tena vaovao marina fa raha ny siosion-dresaka dia toa hoe tsy dia netinety ara-pahasalamana ary dia torana sy nitambotsitra nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Iavoloha ny alarobia lasa teo ny minisitra Dadafara ka izay no tsy maintsy nitondrana azy maika tetsy amin’ny HJRA. Manitikitika ny besinimaro amin’izao fotoana ny hoe : fa inona marina ary no nahatonga ny minisitry ny fiompiana ho nandamaka sy narary tampoka teo ? Misy olana noho ny asa sa olana ara-pianakaviana ve sa tena marary tsotra tahaka ny olon-drehetra izy ? Mbola mitohy moa ny fitsaboana ka ho hita eo ihany ny ho vokany. Maro ny mihevitra fa tsy zakan’i Dadafara ny toerana minisitra fa ny tsara aminy angamba dia any amin’ny toeran’ny teknisianina na mpitantana orinasa tsotra ihany. Miankina amin’izay ambaran’ny dokoteran momba ny fahasalamany sy ny fanapahan-keviny manokana ihany moa ny mety ho tohin’ny ho avy ….politikany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.