Actualités

Minisitra Dadafara “Ireo haino aman-jerin’ny mpanohitra no manaratsy ny fiompiana”


  • Talata 20 Janoary 2015

Nohararaotin’ny minisitry ny fiompiana teo aloha Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara ny lanonana teo anivon’ny departemanta tantanany, nanambarany ny tao am-pony mikasika ireo fanakianana azy sy ny asa teo anivon’ny minisiterany, indrindra manodidina ny abatoara, fanondranana omby … ka nilazany fa “ireo haino aman-jerin’ny mpanohitra no manaratsy ny fiompiana”.

Ny manatsara ny fiompiana sy ny vokatra ahafahana manondrana azy no asan’ny minisitera, hoy i Dadafara fa anjaran’ny mpitandro filaminana ny miady amin’ny asan-dahalo mpangalatra omby. Mikasika ity farany dia nanipika i Dadafara fa 600 isan’andro ny omby maty eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy 200 ka hatramin’ny 250kg anefa ny lajan’omby faka nofony ankehitriny raha nahatratra 500 ka hatramin’ny 800kg izany taloha. Izany no antony nananganan’ny minisitera “Centre amélioration génétique et formation» amin’ny toerana samihafa toy ny ao Iboaka Fianarantsoa, Vangaindrano izay hotohizana any Ambatondrazaka, Moramanga … hanampiana ny tantsaha hanatsara ny fomba fiompiana. Nanisy resaka momba ny fampihavanam-pirenena ihany koa Randriamampionona Joseph Martin amin’ny maha filoha nasionalin’ny antoko RTM (Refondation Totale de Madagascar) azy ka nilazany fa “ilaina ary tokony hitondra any amin’ny fampandrosoana ny fampihavanam-pirenena”. Toy izany koa ny sata manokana ho an’Antananarivo, “rafi-panjakana io ary sehatra ahafahana mampandroso”, hoy i Dadafara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT