Sady tsy ampy olona no sahirana tsy manan-trano hiasana ny Foibe iraisam-paritry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ho an’Anôsy sy Androy, eo ambany fitantanan’ny minisitra Chabani Nourdine.
Nilaza ity farany fa raha mbola minisitra izy dia “ampindramiko maimaimpoana ny Fanjakana ny tranoko. Ampitomboina ny mpiasa”. Io resaka trano io no isehoan’i Chabani Nourdine fa manampy ny fanjakana ny tenany. Ny fanambarany anefa dia midika fa takalon'ny toerana maha minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina azy no anton’io. Hatreto anefa mbola mijanona ho resaka fotsiny izany fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina any Anôsy sy Androy. Ny asa fampandrosoana rahateo tsy vitan'ny fisehosehoana ety ivelany fotsiny.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.