Actualités

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa


  • Alakamisy 14 Novambra 2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

 

 

 Niforona ara-panjakana tamin’ny 14 aogositra 2019 izany ary ampahalalana ny mpitondra fanjakana sy ireo mpiasa  rehetra ao amin’ny ministeran’ny vola ny fijoroany. Anisan’ny mivondrona ao anatin’ny SMMV ny mpiasa eo anivon’ny fadin-tseranana, ny hetra, ny tahirim-bolam-panjakana, ny mpanamarim-bola sy ireo maro hafa. Misy amin’ireo mpiasa no mbola tsy niditra ao amin’ity Sendika ity ka entanina hirotsaka mpikambana hoy ny filohany, Andrianavalona Herizo. Ny fiarovana ny zon’ny mpiasa mantsy no antom-pisian’ny SMMV ka tombony ho an’ny mpiasa no miditra ao. Nanambara ihany koa ny filohay fa rehefa misy ny fanapahan-kevitra na fandaminana raisina mahakasika ny mpiasa dia tokony haka hevitra amin’ny Sendika ny mpitondra. Izany no hatao mba tsy hiverenan’ny olana nitranga tamin’ny taona 2018 izay tsy nahitana marimaritra iraisana tamin’ny mpitondra sy ny mpiasa mihitsy ka niteraka korontana sy sakana hatrany tamin’ny fanatanterahana ny asa. Ankoatr’izay dia manamafy ny fifanarahana nosoniavin’ny filoham-pirenena tany Soisa ny fijoroan’ny Sendika ary hanamafy ny fifampiresahan’ny mpitondra sy ny mpiasa. Mahatratra 1000 mahery moa ny mpiasa nanangana ny SMMV, araka ny fanambarana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT