Actualités

Minisiteran’ny ny mponina Gaboraraka ny fitantanana, hoy ireo mpiasa


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Nanao antsoavo tamin’ny filoham-pirenena vaovao sahady omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny mponina na SYNAE-Population mba hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ny minisiteran’izy ireo.

 

 

 

Araka ny fanambaran’izy ireo dia gaboraraka ny fitantanana ao amin’ity minisitera etsy Ambohijatovo ity. Tantely afa-drakotra ny vola sy ny fananan’ny minisitera. Manginy fotsiny ny fanamparam-pahefana ataon’ny lehibe isan’ambaratongany amin’ny mpiasa izay tonga amin’ny fandroahana ireo mpiasa ECD miisa 8. Taorian’ny fitakiana natao ny 13 desambra 2018 teo, hoy izy ireo, no tena nahamafy io antsojay io. Noroahana ny filoha lefitry ny sendika, Tokiniaina Razafimamonjy, izay nosoratana ny 8 janoary teo ary naterin’ny vadintany ny 9 janoary 2019. Norahonana ny mpiasa fa izay hita tamin’ny rakitsary nandritry ny “sit in” dia tsy ho havaozina ny fifanarahany raha ECD izy ary ireo biraon’ny sendika efa mpiasa raikitra dia hahazo famindrana asa tsy ara-drariny na ilay antsoina hoe “affectation disciplinaire”, fanagadrana, indrindra rehefa tafaverina eo amin’ny toerana maha minisitra azy izy sy ny ekipany, hoy hatrany ireto sendika ireto. Isan’ny handrarana ireto sendika ireto koa ny fivorivoriana ary mila mangataka alalana 48 ora mialoha, hoy izy ireo, vao afaka manatontosa izany. Mivangongo eo anivon’ny DAF irery ihany koa, hoy izy ireo, ny fitantanam-bola kanefa misy tekinisianina miisa 400 tokony hampiasaina araka ny tokony ho izy eo anivon’ity minisitera ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT