Actualités

Minisiteran’ny fiarovam-pirenena Hirosoana ny fikolokoloana ny ara-panahy


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Nisy ny fiofanana natolotry ny delegasiona Amerikanina ireo mpitaiza ny ara-panahin’ny miaramila.

Ny fahatsapana fa tsinontsinona ny ezaky ny mpitandro filaminana amin’ny asa aman’andraikiny raha tsy mivavaka no antony nametrahana ny sampan-draharaha misahana ny fitaizam-panahy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Mpitarika marina no tanjona ary mba ho fikolokoloana sy ho fizarana ny traikefa amin’izany dia misy ny fiofanana izay iarahana amin’ireo delegasiona amerikanina tonga eto Madagasikara. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny “Cercle Messe” Fiadanana ny fiofanana ary hitohy eny amin'ny Sekoly ambonin’ny manamboninahitra zokiny na « Ecole d’Etat-Major” mandritra ny roa herinandro. Solontena avy amin'ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny ahitana ny tafika ny zndary ary ny polisim-pirenena no manatrika ny fiofanana. Ilaina ny tohana ara-panahy sy ara-tsaina iatrehana ny asa sy ny adidy ary manome lanja ny ara-panahy ny foloalindahy hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard nandray ireo iraka amerikanina avy amin'ny fikambanana iraisam-pirenena amin'ny fitaizam-panahy na ny “Association Internationale des Aumôniers Evangeliques” omaly tetsy Ampahibe. Vontoatin-dresaka ny fanatsarana ny tontolon'ny fitaizam-panahy ao amin'ny foloalindahy ary mahatratra 80 ireo mpiofana avy amin'ny fianakaviamben'ny mpitandro ny filaminana.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT