Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny handrakofana ala indray eto Madagasikara.
Hetsika iray ahafahana manatontosa izany ny fambolen-kazo izay hanomboka amin`ny fomba ofisialy ny alahady 19 janoary izao. Zanakazo 60 tapitrisa no hovolena manerana ny nosy amin`ity taona ity. Io ny fanambarana nataon`ny minisitry ny tontolo iainana teo. Etsy an-kilany, tsy ho tratra io fanamby io, hoy ireo solontenan`ny mpiasa sy rantsamangaika eo anivon`ity minisitera ity. Ny tapaka tamin'ny voalohany aza dia hoe 80 tapitrisa no hovolena. Niova io ka tsy ho tratra mandritra ity taona 2020 ity. Ny tena marina, tsy ampy izany manerana ny Dredd. Ohatra, 10 tapitrisa no lazaina fa vita ao Soamandrakizay. 4 tapitrisa ihany anefa ny ao ary ny 30 hatramin`ny 37 % amin'io ihany no maniry satria tsy teknisianina misahana izany no nanao ireo fa ny mpiasa birao no nampanaovina SMOTIG isan’andro nankeny Soamandrakizay. Tsara ny manamarika fa 50 sm toratelo no ilain'ny lavaka iray. Ireo zanakazo ireo ihany koa dia mila mitondraka indray isaky ny roa andro. Tsy ampy sy tsy misy akory ny any Tapoketsa ka any amin'ny DREDD hafa no terena nakarina eto an-drenivohitra amin'izao fotoana izay tsy mahafaly ny any amin'ny faritra izany satria izy ireo no nisasatra dia noho ny fisehosehoana ve dia alaina indray ny ezaka izy ireo, hoy hatrany ny loharanom-baovao. 13 hatramin`ny 20 tapitrisa ny zanakazo misy eran'i Madagasikara raha misy. Ny fahadisoana dia ny tsy fahaizana miaro ireo efa misy amin`ny afo fa satria ny managadra ireo mponina no mahamaika ny tompon'andraikitra izay mitarika fikomiana (ohatra Ankarafantsika) ka valifaty ataon'ireo mponina io fahirano ataon'ny fanjakana azy io, hoy hatrany ireo mpiasa. Raha ny fantatra eo anivon`ny minisiteran`ny tontolo iainana dia mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa amin`izao fotoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.