Niara-nifaly tamin’ireo mpiasa sy ireo zanaky ny mpiasa ny minisitry ny Raharaham-bahiny Razafitrimo Arisoa Lala ny alarobia folakandro lasa teo teny Anosy. Notolorana vary 25 kilao miampy vatomamy sy biskoitra ireo mpiasa miisa 280.
Nizarana kilalao isan-karazany ihany koa ireo ankizy latsaky ny 12 taona miisa 220. Nanararaotra io fotoam-pankalazana ny fetin’ny Krismasy 2014 io ihany koa ny minisitra Razafitrimo Arisoa Lala nisaotra sy nankasitraka ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa teo anivon’ny departemanta notantaniny tao anatin’ny 8 volana mahery. Novatsian’ny minisitra solosaina vaovao miisa 20 miaraka amin’ny fampitaovana feno ihany koa moa ireo sampandraharaha miisa 15 ao amin’ity minisiteran’ny Raharaham-bahiny ity. Azo ambara ho fanomezana Noely 2014 hiatrehana ireo asa aman-draharaha goavana miandry amin’ny taona vaovao 2015.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.