Nahitana sorabaventy mirantiranty maneho ny fitakian`ireo mpiasa hita nanoloana ny minisiteran`ny mponina tetsy Ambohijatovo omaly. Anisan`ny fitakian`ireo mpiasa manana fifanarahana arakasa ao anatin`ny fotoana fohy (ECD) ny tombontsoa maro samihafa, ny fanefana karama ara-potoana, mitaky ny minisitera tsy ho fitaovana politika…
Ohatra, ny tombontsoa hanampiana ireo ray aman-dreny mampiana-janaka rehefa fotoana fidiran`ny mpianatra dia 25 000 Ariary isan-jaza no azon`izy ireo hatramin`izay saingy niova 25 000 Ar isan-dreniny izao. Araka ny nambaran`ny filoha lefitry ny sendikà, Toky Ny Aina, dia ny minisiteran`ny mponina no natao hiahy ny maha olona eto Madagasikara kanefa tsy voahaja satria mandeha ny antsojay ka tonga amin`izao fitokonana fanairana rehefa tsy nisy tontosa ny fampanantenana nataon`ny DGPS sy ny DGPF. Tetsy an-kilany, nandritra ny fahatongavan`ny minisitry ny mponina, Naharimamy Lucien Irmah, teny an-toerana dia nidin`ireo mpiasa manao fitokonana ireo ny minisiteran`ny mponina ka voatery naka vadintany hamoahana izany. Namaly ihany koa ny minisitra fa tsy marina ny filazana hoe nisy ny fangatahana fifampiresahana tamin`ny minisitera ho an`ireo mpiasa ireo. Nilaza ihany kosa izy fa vao tonga teo amin`ny fitantanana an`ity minisitera ity ny tenany no efa nanomboka nitaky ireo mpiasa ireo. Raha misy ny antsojay dia efa naka mpitandro ny filaminana ny tenany satria tsy nanaja ny “droit de greve” ireto mpitokona ireto ary tsy misy ny fampilazana, hoy izy. Na eo aza ny fitakiana dia mitohy hatrany ny asa eo anivon`ny minisiteran`ny mponina, indrindra ny ara-tsosialy, hoy io minisitra io. Etsy an-daniny, milaza hanamafy ny fitakiany ireo mpiasa ECD ireo. Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny roa tonta…
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.