Naaton`ny minisiteran`ny fitsarana ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpirakidraharaha sy mpitsara amin`ny taom-piofanana 2018-2019.
Izany no fanapahan-kevitra noraisin`ny minisitry ny Fitsarana, Harimisa Norovololona nandritra ny andro iraisam-pirenena nanamarihana ny ady amin`ny kolikoly izay notanterahina tetsy amin`ny tranoben`ny Fitsarana Tampony Anosy omaly. Maro loatra ny tatitra sy resaka samihafa momba ny raharaham-pitsarana fanadinana, hoy ny minisitra. Misy manampahaizana manokana momba ny informatika nantsoina hitsirika ny lesoka anatin`ny rindram-baiko momba ny fitsaram-panadinana amin`izao fotoana ary hisy fanavaozana atao ho fanatsarana ny asa. Misy fiantraikany ho an`ireo mpianatra vaovao tokony hiditra izany satria mihemotra ny taom-piofanana. Miezaka hatrany mamerina ny hasin`ny fitsarana eto Madagasikara ny minisitera ka mpitsara eo anivon`ny fitsarana miisa 10 no hiakatra CODIS na filankevi-pifehezana anio noho tsy faneken`ny minisitra ny tsy rariny sy tsy fanarahan-dalàna amin`ny fampiharana ny fitsipika anatiny eo anivon`ny tontolom-pitsarana. Mahakasika ny asa fakana an-keriny izay nihanahazo vahana tato ho ato, naverina ny “cellule d`enquete mixte” (CME) hisahana ny asa fakana an-keriny. Tsy andrasana ny fampitam-baovao avy amin`ny fianakavian`ny niharam-boina ny fanadihadiana sy asa fanenjehana an`ireo nahavanon-doza. Tsy miandry intsony ny CME fa tonga dia midina eny an-toerana na misy aza ny fandavana any amin`ny fianakaviana. Efa manomboka miverina amin`ny laoniny kosa ny asan`ny fitsarana sy ny Birao mahaleotena misahana ny ady amin`ny kolikoly (BIANCO) amin`izao fotoana izao. Efa misy akony sy hahitana vokany ireo antontan-taratasin`ady alefa eo anivon`ny fitsarana, hoy ny talen`ny Bianco. Notanterahina omaly ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin`ny kolikoly izay tokony hankalazaina ny andron`ny 9 desambra ary nisy tranoheva isan-karazany nandraisan’ny eo anivon`ny zandary, ny Bianco ary ny firaisamonim-pirenena samihafa anjara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.