Actualités

Minisiteran`ny Fitsarana Miroso amin`ny fanavaozana


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Miezaka hatrany miroso amin`ny famerenana ny hasin`ny fitsarana ankehitriny io minisitera io. Maro ny ezaka amin`ny lafiny maro eo amin`ny fanatsarana. Eo amin`ny fotodrafitrasa, ohatra,

 

 

 

 

 misy fanamboarana trano eo amin`ny minisiteran`ny Fitsarana etsy Faravohitra. Ny trano hiasan`ny minisitra dia toerana manan-tantara ary voarakitra ho vakoka iraisam-pirenena avy amin`ny UNESCO ka ity farany no mitandro ny fikarakarana ny fanamboarana azy. Eo akaiky eo ihany dia misy trano iray manan-tantara koa izay nolovain`ny minisitera tamin`ny taranaky ny mpanjaka satria tao no nipetraka ny Mpanjakavavy Razafindrahety izay lasa Ranavalona faharoa tamin`ny fotoanandrony. Any amin`ny faritra ihany koa dia ahitana fanavaozana fotodrafitrasa. Hotokanana amin`ity herinandro ity ny trano vaovao hamindrana manontolo ny biraon`ireo mpitsara ao Moramanga. Raha ny fantatra, ny 30 novambra ho avy izao ihany koa ny fitokanana ny  Fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenoarivo Atsinanana, faritra Analajirofo. Marihana fa any Toamasina no tsaraina ireo raharaha avy any Sainte-Marie, Vavateninana, Soanierana Ivongo… Araka izany, rehefa miorina io fitsarana io dia mba manakaiky kokoa ireo toerana voalaza ireo. Eo amin`ny tontolon`ny mpitsara ihany koa dia nahitana ezaka fanavaozana. Nanatanteraka fivorian`ny CSM na Filankevitra ambony mahakasika ny mpitsara ny minisitera tany Antsiranana ny herinandro lasa teo izay natao ho fanatonana ireo mpitsara any amin`ny faritra. Natao niaraka tamin`izany ny fivorian`ny fianakaviamben`ny mpitsara mahakasika ny ady amin`ny fanjakana manerana an’i Madagasikara izay nisy fanofanana mahakasika ny fanoratana didim-pitsarana amin`ny fiadiana amin`ny Fanjakana. Manomboka misy ezaka manokana ataon`ny minisitera izao. Tsy azo ihodivirana koa anefa ny kolikoly, ny fahataran’ny fikarakarana ny antontantaratasim-pitsarana, indrindra ny fitazonana vonjimaika izay mihoatra ny 60%-n’ny olona ao anatin`ny fonja manerana an`i Madagasikara amin`izao fotoana. Raha fehezina, ny mpitsara, ny mpirakidraharaha, ny mpiandry fonja tsirairay avy no manantanteraka ny asany amin`ny fanajana ny lalàna dia mety hisy fiovana ao anaty fotoana fohy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT