Actualités

Minisiteran`ny Fitsarana Hanafaingana ny fitsarana ireo voafonja vonjimaika


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Mahatratra 24 000 ireo gadra naiditra am-ponja vonjimaika, miandry ny fitsarana azy, manerana ireo fonja 82 misy eto Madagasikara raha ny antontan’isa navoaka farany. Mahakasika ny fitsarana an`ireo voafonja eto Madagasikara dia hisy paik`ady apetraka amin`ny fanatanterahana izany.

 

 Hipetraka tsy ho ela ny rafitra iray natao hanafainganana ireo fitsarana an`ireo voafonja raha ny tatitra voaray navoakan`ny teo anivon`ny minisiteran`ny fitsarana. Mampitambatra ny fitantanana ara-pitsarana sy ny fandraharahana ny fonja izany ka ny fampiharana ny fomba fiasa “traitement en temps reel” (TTR) no harahina maso eo anivon`ireo fitsarana manerana ny nosy. Araka ny fanazavana voaray, anisan`ny lesoka lehibe manaratsy ny fitsarana ny tsy fahafantarana ny didy efa nivoaka ho an`ireo efa voatsara na ihany koa ireo meloka eny am-ponja. Eo ihany koa ny tsy fetezan`ny lamina toy izany no mampitarazoka ny fitsarana amin`izao fotoana izao. Nanambara ny tompon‘andrakitry ny minisiteran`ny fitsarana fa hampitomboina avo roa heny ny tetibola homena ny minisitera (ao anatin`ny volavolan-dalàna momba ny tetibola 2019) ka anisan`ny hanompanana vola bebe kokoa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa misy. Anisan`ny zava-dehibe ho an`ny sampandraharaha ihany koa ny fanomezana ny vola amin`ny fandraharahana ny fonja no tena iompanan`izany. Amin`ny fanafainganana ny fitsarana ny raharaha dia hisy fepetra horaisina eo anivon`ny fitsarana toy ny fampitomboana ny fakana am-bava sy fihainoana mba hahafahana mitsara ny olona.  Marihina fa eto Madagasikara dia tsy voahaja ny zo fototra amin`ny maha olona satria tsy voatsara avokoa ny antsasa-manila mahery (60%) ny isan`ny voafonja manerana ny Nosy.

Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT