Actualités

Minisiteran’ny fiompiana Nalahelo an’i Dadafara ireo mpiasa


  • Alakamisy 29 Janoary 2015

Tamin’alahelo no nifandaozan’i Dadafara sy ireo mpiasa tao amin’ny minisiteran’ny fiompiana. Tontosa ny talata lasa teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitra roa tonta Randriamampionona Joseph Martin sy ny vaovao Ramparany Anthelme

. Tanaty firahalahiana tanteraka no nizoran’izay. Nisongadina ny nanaovan’i Dadafara jery todika ny asa vitany nanomboka ny 18 aprily 2014, nandraisany ny fitantanana ny minisitera. Mialoha io dia nisy ny fihaonana fohy nataony tamin’ireo mpiara-miasa taminy teo anivon’ny minisitera. Nahatsiaro ny fomba fiasa sy ny fifandraisana tamin’i Dadafara ny rehetra. “Olona tso-panahy ary nahavita zavatra izy”, hoy ireo mpiasa. Tsiahivina fa anisan’ireo minisitra nisaorana ary voailika tsy handrafitra ny governemanta Ravelonarivo ny tenany. Raha ny fantatra anefa dia heverina hapetraka amin’ny toerana hafa tahaka ny masoivoho na mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ny tenany. Anisan’ireo kandidà ho filoham-pirenena nisongadina tamin’ny fifidianana tamin’ny 2013 i Dadafara. Nanohana tsy nisy fepetra ny kandida laharana faha-3 izay lasa filoham-pirenena ankehitriny ny tenany ary naneho hatrany ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny fitondrana mijoro, indrindra fa ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy sy ny ekipany na tsy anaty fitantanan-draharaham-panjakana intsony aza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT