Actualités

Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Hohamafisina ny ady amin’ny kolikoly


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Notanterahina omaly talata teny amin’ny Birao fiasan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Anosy ny lanonana famindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka teo aloha,

 

 ny Inspecteur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard sy ny Minisitra vaovao, ny Commissaire Divisionnaire de Police Anandra Norbert izay voatendry hisolo toerana azy. Nambaran’ity minisitra vaovao  ity nandritra izany  fa ny tarigetra apetrany amin’ny fitantanana ny minisitera dia ny fanovana ao anatin’ny fitohizana. Hotohizany ny fanatanterahana ireo vina telo napetraky ny minisitra teo aloha ka hohamafisina ny ady amin’ny kolikoly, izay tena mampalaza ratsy ny polisim-pirenena eto Madagasikara. Nilaza koa ny minisitra vaovao fa hohenjanina bebe kokoa ny fampanajana ny fitsipi-pifehezana ary hasiana tsindrim-peo manokana ny ady amin’ny asan-jiolahy. Efa samy niteny izany avokoa ny minisitra nifandimby teo fa dia ho hita eo indray ny an’ny kaomisera Anandra Norbert.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT