Actualités

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Hametraka rafi-pampianarana matotra


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Eo an-dalam-panatsarana ny fandaharam-pianarana eto amintsika ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’izao fotoana izao.

 

Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny “guide d’orientation” eny amin’ny kolejy, hoy Andriamampandry Todisoa Manampy, tale jeneraly misahana ny fampianarana fototra sy ny  fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo anivon’ity minisitera ity. Mbola any amin’ny kilasy fahafolo ny mpianatra dia efa tarihina mankany amin’ny asa mifanaraka amin’ireo karazana taranja hainy mba tsy hahatonga azy ireny hitsapatsapa ka handany fotoana mankany amin’ny asa tsy mifanaraka amin’ny noeritreretiny. Ny tanjona, hoy izy, dia manana mpianatra mahay sady mahafehy tsara ny asa hataony, hahafahan’ny rehetra mandroso. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hametraka rafitra mazava sy maharitra momba ny fanabeazana izy ireo mba tsy hiovaova intsony izany isaky ny misy mpitondra miova eto amin’ny tany sy ny firenena. Anisan’ny lesoka mampitontongana ny fampianarana eto amintsika ny fiovaovan’ny mpitondra izay samy mametraka ny rafitra mety aminy ka misy fiantraikany  goavana eo amin’ny hoavin’ny mpianatra  Malagasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT