Actualités

Minisiteran’ny fambolena Hohavaozina tanteraka ny fitaovana enti-mamokatra


  • Talata 26 Janoary 2016

Taorian’ny nanavaozan’ny minisiteran’ny fambolena ireo karazana fotodrafitrasa entina hampiroborobo ny fambolena eto amintsika toy ny toho-drano ao Taheza izay manondraka velaran-tany 2440 ha nahazoan’ny tokantrano miisa 20.000 tombony,

 


 

 ny tao Manombo Ranozaza, ny tao Beboky Faritr’i Melaky dia mitohy hatrany ny fanofanana ireo tanora ho lasa mpamboly matihanina atsy ho atsy   amin’ity taona 2016 ity. Mahatratra 6.800 izay tsy hijanona amin’ny fampiasana angady intsony fa hahay avy hatrany hampiasa ireo karazam-pitaovana manaraka ny fivoaran’ny teknolojia hahafahana mampitombo avo dimy heny ny voka-bary eto amintsika afaka dimy taona. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana ozinina hahafahana manokana  zezika mifanaraka amin’ny filàn’ireo masomboly voafantina. Na izany aza anefa ny ezaka efa vita dia tsy nitazam-potsiny ireo havantsika any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy lasibatry ny kere ity minisitera iray ity. Nisy ny fandefasany tahom-bomanga an-jatony taonina any an-toerana niampy taho-mangahazo voafantina entina hanampiana ireo mponina any an-toerana. Ho an’ny tahom-bomanga dia fantatra fa roa volana monja izy ireny dia mamokatra. Nisy mihitsy moa ny mpitandro ny filaminana nanaraka ny olona nitondra ireo fanomezana ireo ho fiarovana izany. Nisy omaly ny jery todika nataon’ity minisitera ity mikasika ny asa vitany sy ny asa hotanterahiny mandritra ity taona vaovao 2016 ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT