Actualités

Minisiteran’ny asa sy ny lalŕna sosialy Tale nisoloky 17 tapitrisa ariary


  • Alarobia 07 Desambra 2016

Misesisesy ny raharaha maloto andrenesana anarana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Ny fisolokiana goavana no voalaza fa nataon’i L.R , talen’ny serasera eo amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, izay niakatra fitsarana omaly indray izao no malaza. Nisoloky vola mitentina 17 tapitrisa ariary tamina mpanao gazety  izy. Ny volana febroary 2016 ilay mpanao gazety no noresahin’ny olona iray mahafantatra azy sady mpiara-miasa amin’i L.R, fa afaka mandefa mpiasa mankany ivelany ity tompon’andraikitra ity. Roboka tokoa ingahy mpanao gazety ka nanatona an’i L.R ary raikitra fa 17 tapitrisa ariary ny saran’ilay fandefasana mankany ivelany. Tsy nisy fivoarany anefa ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehefa azony ny vola, ka rehefa natao ny fikaroham-baovao dia tsy nanao na inona na inona i L.R. Nametraka fitoriana ilay mpanao gazety taorian’izay ka nampanantsoina teny amin’ny Tobin’ny zandary teny Betongolo izy kanefa tsy nipoitra mihitsy, saingy voasambotra ihany fiandohan’ny volana jolay. Nangataka ny hanaovana raharaham-pihavanana izy, ka natao teo imason’ny zandary ny taratasy fa horaisin’io mpanao gazety io ny tranony eny Andoharanofotsy sy ny fiara 405, izay tsy teto Antananarivo akory fa any Toliara, saingy tsy vita ara-panjakana ka nivadihany ity farany. Nomarihin’ilay mpanao gazety fa efa nidoboka am-ponja vonjimaika noho io raharaha io i L.R saingy andro vitsy ihany no tany fa navoakan’ny olona ambony iray. Mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa hanonerana io vola io no antony nitakiany vola tamina minisitra iray ao anatin'ny governemanta  noho ny raharaha namonoan’ny olona tany Ambatohasana ny zanak’Androy miisa 2, izay voalaza fa dahalo. Ny fiandohan’ny herinandro izao no hivoahan’ny didim-pitsarana.

 

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT