Actualités

Minisiteran’ny angovo Roa volana aty aoriana, tsy voasolo i Fienena Richard


  • Alatsinainy 22 Desambra 2014

Sarotra ny mahitra ny solon’i Fienena Richard. Roa volana aty aorian’ny nanesoran’ny fanjakana azy tsy ho minisitry angovo, tsy mbola voatendry ny solony

Ny minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana, ny jeneraly Raveloharison Herilanto no notendrena hisolo toerana azy vonjimaika, hitantana ity ministera sokajiana ho stratejika ho an’ny toekarena sy ny indostria ity. Nanendry filohan’ny filankevi-pitantanana sy Tale jeneraly vaovao ho an’ny Jirama ny fanjakana fa banga hatramin’izao ny toeran’ny minisitry ny angovo. Hiandrasana ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemana, araka ny resaka mandeha taorian’ny fihaonan’ireo filoha dimy tonta teny amin’ny CCI Ivato ve ny fanendrena, sa mihantona mihitsy aloha noho ny fanadihadiana fantatra fa ataon’ny Bianco amin’ireo tale samihafa nitantana ity orinasam-panjakana ity ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT