Taksibrosy minibus Mazda nitondra olona miisa 22 niala vao maraina taty Antananarivo hamonjy tsena tany Soavinandriana Itasy no tra-doza tao Sarodazaina, andrefana kelin’i
Miarinarivo, manaraka ny lalam-pirenena voalohany omaly tokony ho tamin’ny enina ora latsaka dimy maraina. Niditra fiolahana ilay minibus no nifanehatra tampoka tamin’ny fiarabe nifanena taminy. Tsy nisy azo nialana fa dia nifanoroka avy hatrany ireo fiara ireo. Nandriaka ny ra. Maty tsy tra-drano ny mpandeha roa teo anoloana. Nisy ny tapaka sy vaky loha, toy ilay mpamily. Nalefa aty Antananarivo ny 13 tamin’ireo naratra, izay tena voa mafy ny 2. Mbola tao anatin’ny torimaso rahateo ny ankamaroan’ireo mpandeha tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Tsy nisy nahiana kosa ny 4 tamin’ireo mpandeha ka afaka namonjy fodiana. Potika tanteraka ilay minibus Mazda.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.