Actualités

Mila vonjy fa tsy mahavita azy ny fanjakana


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

sy niresaka mihitsy ny momba ny raharaha Marc Ravalomanana sy izay manodidina azy ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly hariva nandritra ny lahateniny, niandry vasoka ihany koa ireo izay nanantena fampisondrotan-karama satria dia tsy nisy na dia teny iray aza mahakasika izany.Ary nodian'ingahy filoha fanina tanteraka ny momba ny asan-dahalo any atsimo sy ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ary ny fiakaran'ny vidin-tsolika.Niakatra nanomboka omaly tokoa mantsy ny vidin-tsolika ka nitombo 70

ariary be izao ny litatry ny lasantsy (3630 ar teo aloha lasa 3700 ar), raha toa ka nitombo 60 ariary ny gazoala (2940 ar teo aloha lasa 3000 ar). Efa tamin'ny fiandohan'ity taona ity no nilaza fa hampiakatra vidin-tsolika ireo kaompania vahiny misy eto, ny nahagaga anefa mihena ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena fa nahoana no miakatra izany eto Madagasikara ? manampy izany dia tsy mba nahita vahaolana hanakanana ilay fisondrotana amin'izao fahantrana lalina efa mahazo ny vahoaka izao ny fitondram-panjakana fa dia namela malalaka ireo kaompania vahiny haka tombom-barotra hatrany.

Mbola miankin-doha
Niaiky i Hery Rajaonarimampianina omaly fa sahirana sy mahantra i Madagasikara sy ny Malagasy, nilaza anefa izy fa mikaroka isan'andro ny fomba rehetra handresena ny fahasahiranana, ka izany indrindra no tsy maintsy nivoahana matetika tany ivelany, hoy izy mba hamitranam-pihavanana tamin'ny sehatra iraisam-pirenena.Nambarany fa efa tafiditra ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana ankehitriny ilay vola fanampiana ara-tetibola avy any amin'ny vondrona eoropeanina.Mahamenatra anefa ny miankin-doha lava amin'ny fanampiana avy any ivelany, hoy ny filoha fa tokony hiezaka ny Malagasy hikaroka hevitra mba hahavita-tena.Efa fahombiazana ho antsika hoy izy ny fiverenan'i Madagasikara indray eo anivon'ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka hahafahantsika mampiantrano ny fihaona an-tampon'ny Frankôfônia amin'ny 2016, zava-dehibe ihany koa ny fiverenan'ny AGOA izay hamorona asa aman'aliny ho an'ny Malagasy.

Mila vonjy
Niantso ny rehetra mba hampandefitra ny hambom-po nyfiloham-pirenena,aoka izay ny fifamiantsiana sy ny fampisaraham-bazana ary ny fanakorontanana, hoy izy.Nambarany moa fa ho fantatra ato anatin'ny andro vitsy ny vina sy ny lalan-kombana amin'ny fanarenana ny firenena na ara-tsosialy io na ara-toekarena.Asa aloha izay ho lazain'ingahy filoha amin'ny 9 janoary eny Iavoloha mandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taom-baovao, fa amin'ny ankapobeny dia maivana be ihany ny kabariny ofisialy voalohany amin'ny vanim-potoana tahaka izao amin'ny maha filohan'ny repoblika azy.Toa manaporofo ilay izy fa tsy nisy ny asa nivaingana vita fa nandova ny zavatra efa nisy fotsiny ny fitondrana amin'izao fotoana, tahaka ny AGOA ohatra.Tsapa tamin'ny lahatenin'i Hery Rajaonarimampianina alina ihany koa fa efa miantso fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana, ary tahaka ny tena mila vonjy mihitsy amin'ny rehetra aza izy mba hahafahana mamaha haingana nykrizy.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT