Tsy ampihambahambana intsony no ilazana fa miainga any indray ny lamasinin’ny « iny lalana iny » tahaka ny tamin’ny 2009, tsy niova ny saofera fa ny mpandeha no nisy niova kely.Tsinjo tamin’ny fomba firesaka teny Ambodivona fa efa manana ketrika ao an-dohany ry Andry Rajoelina sy ny ekipany
. Ny fitondram-panjakana rahateo hita fa tena tsy mahavita azy aloha hatreto ary miteraka fahasosorana ho an’ny olona fotsiny. Na izany aza tsy mbola tara ny fotoana hanitsiana ny lalana. Afaka mandamina tsara izao resaka izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha mahay misafidy ny olona hiara-kiasa aminy raha tsy hoe izy mihitsy koa angaha no mankasitraka ny hisian’ny korontana eto ? Tsy vitan’ny kabary anefa ny famahana ny olana fa mitaky asa, ary voalohany amin’izany ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena mba hisian’ny fitoniana. Tsy hisy zavatra handeha eto raha tsy tony ara-politika ny firenena, azo irosoana ny dingana manaraka avy eo. Fa raha ohatra moa ka misafidy ny hitratrevatreva sy hihenjana ny fitondrana HVM dia mety ho sahirana ihany satria misy ny mpanao politika efa tena ampy traikefa amin’ny fandrodanana eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.