Actualités

Mila any indray ny ketrika…


  • Zoma 12 Desambra 2014

Asa na fifanandrifian-javatra fa vao niverina niresaka politika ny filohan’ny tetezamita teo aloha dia raikitra ny vono olona tany Morondava, nirehitra ny orinasa Sucoma, ary tsapa fa mitavozavoza be ihany mandray andraikitra ny mpitondra fanjakana. Mialoha izany dia niha mafy ny delestazy miitatra hatrany amin’ny fahatapahan’ny rano ny fahorian’ny vahoaka. Dia niteny ingahy Rajoelina omaly hoe

: mandika lalàmpanorenana ny mpitondra, tsy mihavana raha mbola misy ireo tsy madio am-po, sy ny hoe mampalahelo ary velon-taraina sy efa mitomany mihitsy ny vahoaka Malagasy. Raha serasera no resaka andraisana azy dia azo ambara fa tsara fidirana amin’ny politika rehefa tsy re feo firy intsony hatramin’ny nahavitan’ny fifidianana i zandry kely satria, ilay filoha nolazaina fa lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana demokratika efa hita fa tsy mahavita azy sy miha tsy tian’ny olona. Ilay iraika lahy antenaina fa hitondra ny traikefany hanavotana ny firenena migadra any avaratra. Ka inona moa izany fa tsy malalaka be ny lalana ho an’ny sasany. Amin’izay tonga nisolelaka teny Ambodivona ireo mpanao politika fa hoe mandala ny demokrasia, hono. Hafahafa ihany ny fandehan-javatra, misy raha tsy mazava ! Sao lahy ka efa hiverina indray ny tantara ka andro sisa no isaina ho an’izao fitondrana izao fa efa miainga any ambadibadika any indray ny ketrika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT