Actualités

Mikoropaka ny zandarimaria Misy raha ao !


  • Alarobia 21 Septambra 2016

May Ambondrona ! Mikoropaka ny tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Nanaparitaka fampilazana tamin’ny mpampahalala vaovao ny seraseran’ny zandarimaria ny faran’ny herinandro lasa teo fa tsy nametra-pialana izany ny komandin’ny zandarimaria ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel. Mbola nohamafisina tamin’ny fanambarana nivoaka tamin’ny alatsinainy 19 septambra 2016 indray io. Misy raha ao matoa tonga amin’izany. Niditra an-tsehatra hatramin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Paza Didier Gérard nanipika mazava fa « tsy misy ary tsy hisy ny fametraham-pialan’ny  komandin’ny zandarimaria izany ». Fa ny nanaitra tao anatin’ilay fanambarana dia ny filazana fa « tsy misy ary tsy mbola nisy lisitra nomen-dRamatoa vadin’ny filoham-pirenena izay nasainy ho tsy maintsy nampidirina ho mpianatra ho manamboninahitra » ary « tsy misy ary tsy mbola nisy koa baiko nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ho an’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena mikasika ny fampidirana mpianatra ho manamboninahitra ».

Tonga amin’ny ilana azy

Vaovao miely amin’ny «Internet» sy tambajotran-tserasera fesiboky ity mampikoropadropaka ity ary itadiavan’ny mpitondra irika mihitsy hampidirana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin'ilay resaka. Tsy tongatonga ho azy anefa ny resaka toy izany matoa mivoaka aty ivelany fa ao raha. Tamin’ny 1 mey 2016 no efa vaky bantsilana ampahibemaso tao amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny toy izany, nataon’ny Afo Sendikaly, ka nahavoatonontonona vadina filohana andrimpanjakana. Nilaza mihitsy Ratolojanahary Maharavo na Doudou tamin’izay fa hitondra ny raharaha eny amin’ny Bianco saingy toa tsy afa-manoatra angamba ity farany. Ny tatitry ny Bianco etsy an-kilan’izay mametraka ny zandarimaria ho anisan’ny sehatra be kolikoly indrindra eto amin’ny firenena. Milaza ny hitondra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ny Zandarimaria. Tonga amin’ny ilan’ny maro azy izany, hivoahan’ny marina. Re rahateo fa misy begalona mingonongonona any ambadibadika any, na be tsy miteny aza. Na izany aza, toa endrika fanapenam-bava izy io ary koa hampitahorana ny mpanao gazety mba tsy hilaza ny zava-misy na dia marina aza. Ary tena haingana be ny Fanjakana mitory sy manenjika rehefa misy tsiambaratelo mivoaka fa tsy tahaka izay ny fijerena ny fiainam-bahoaka. Inona no ataon'ity fitondrana ity hiarovana vahoaka tafihin'ny dahalo sy ny ady amin'ny kolikoly fa toa miadana be ? Hatramin’ny mpanao gazety frantsay aza mametra-panontaniana ny amin’ilay asa fampihorohoroana nahafatesana olona teo Mahamasina ny harivan’ny 26 jona 2016 iny, fa toa tsy hita izay tohiny ! Aiza koa ny fitoriana tamin’ireny resaka boaderozy sy anarana nentin'ny praiminisitra teo aloha Beriziky Jean Omer ireny ? Toy izany koa ny resaka niparitaka momba ireny volabe nentina “bagage à main” tratra tany Roissy Frantsa nandritra ny COP21 tamin’ny desambra 2015 ireny.Farany niaro tena ny zandarimariam-pirenena fa hoe nanao ny asany ny zandary nanao PR tany Antsirabe izay nitifitra ilay taksibrosy satria tsy nanaiky nijanona tamin’ny sakana ilay fiara; omaly anefa dia nambara fa noesorina tsy ho zandary intsony ilay zandary nitifitra, f’angaha izy tsy nanao ny asany indray e ?Misy tsy milamina…

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT