Actualités

Mikorontana ny Fitsarana Hitokona koa ny mpiambina fonja


  • Alakamisy 07 Aprily 2016

Tsy milamina akory ny momba ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana izay milaza hitokona manomboka amin’ny 11 aprily, omaly dia nampiaka-peo indray koa ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja ka nilaza fa manome 72 ora ny fitondram-panjakana hanatanterahana ny fitakian’izy ireo.

 

 Toa manaporofo izao tranga izao fa tsy misy ny fitoniana ary misavorovoro ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara.

Tsy rariny ary tsy azo ekena intsony ny mahazo anay, hoy Ravalison Jean de Dieu avy ao amin’ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja. Feno hipoka ny fonja, tsy ampy isa ny mpiambina, tsy misy fiara hitaterana ireo voafonja mankeny amin’ny fitsarana fa manofa taksibe. Fa angaha dia tsy misy fiara amidy intsony eto Madagasikara ? Ankoatra izay, takian’izy ireo ny fanavaozana ny resaka tambin-karama satria efa tena tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony. Maro ny mpiambina fonja tapaka karama, hoy ny fanazavana omaly. Nisy mantsy ny zavatra namboarina ary tsy nandeha araka ny tokony ho izy.Takian’izy ireo ny hanasokajiana ny mpiambina fonja ao anatin’ny Catégorie 3 ka hitovy karama amin’ny polisy. Fitakiana efa tamin’ny 8 janoary ireo kanefa tsy nisy nihaino koa dia ataonay mafimafy kokoa ankehitriny, hoy Ravalison Jean de Dieu. Rehefa raikitra ny fitokonana manomboka amin’ny alatsinainy dia tsy hampiditra voafonja vaovao ny fonja rehetra, hisy kosa anefa ny famoahana ireo voafonja nahavita ny saziny. Mety hanahirana ihany, araka izany, ny zavatra hitranga manomboka amin’io herinandro io. Hitokona ny mpiraki-draharaha dia tsy hisy raharaham-pitsarana ho vanona satria izy ireo no mandray an-tsoratra ny raharaha ao amin’ny fitsarana ary tsy misy fitsarana azo atao raha tsy eo izy ireo. Hitokona koa ny mpiambina fonja ka milaza fa tsy handray gadra mihitsy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT