Actualités

Mikolokolo kolikoly


  • Alarobia 10 Desambra 2014

Miha ratsy hatrany ny naotin’i Madagasikara momba ny kolikoly, izany hoe mitombo isan-taona izany ny fanaovana ity fomba tsy mendrika ity eto amintsika.

Zary efa lasa fomba amam-panao raha ny fandinihana azy satria miainga hatrany anaty fiarahamonina mihitsy ilay izy ary mandalo ny an-tanatohatry ny rafitra rehetra misy eto amin’ny firenena. N’aiza n’aiza aleha eto Madagasikara, na inona na inona zavatra atao dia eo foana ilay hoe :  « mba mametraha kely e ! », efa tsy mahamenatra intsony ilay izy any amin’ny asam-panjakana moa io no tena malaza be satria fomba amam-panao isan’andro. Maro no mimenomenona noho ny kolikoly ataon’ny polisy na zandary mpanakana fiara eny an-dalambe, saingy rehefa tena dinihana ny zava-misy dia samy manao daholo ihany. Tena marina noho izany ny filazana fa sarotra ny ady atao amin’ny kolikoly eto Madagasikara, tsy any anaty paosy fotsiny mantsy ilay izy fa efa miraikitra anaty atidoha mihitsy. Toa manamarina hatrany ny esoeson-tenin’ny vahiny hoe : « Madagascar, le pays du moramora » satria rehefa misy ny vola mipotsaka dia mora ny manao zavatra eto ary na ny tany mena aza dia lasa mirehitra mihitsy e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT