Nanamafy ny fahavononany handoa ireo trosa sy hetra samihafa amin’ny fanjakana ny tompon’andraikitra voalohan’ny orinasa Tiko Ravalomanana Marc omaly teny Faravohitra
. Hiala nenina hifampiresaka amin’ny mpitondra fanjakana hanokatra ny orinasa ny filoham-pirenena teo aloha, araka ny toromarika azony tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ity orinasa Malagasy mpamokatra ronono sy dibera ity ahitana ny kaompany vaventy toy ny Tetrapack Alphalaval eo amin’ity sehatra ity nandritra ny diany tany Danemarka sy Soeda. Handresy lahatra ireo mpamatsy vola, fikambanana ary ireo firenena matanjaka iraisam-pirenena ihany koa izy ireo ny amin’ny fampiharana ny voalazan’ny tondrozotra anisan’ny antondian’ny solontenan’ny Sadc eto Madagasikara. Handefa ozinina vaovao mpamokatra ireo akora nampalaza an’i Tiko kosa ireo mpandraharaha vahiny mpiara-miasa amin’i Dada ahafahany manokatra orinasa vaovao antsoina hoe «Miko» na koa «Migro» raha tsy marisika na tsy vonona hifampiraharaha ny fitondram-panjakana Malagasy. Tsy ahitan’ny andaniny sy ankilany tombontsoa anefa ny firosoana amin’izay vinavina izay, hoy ity mpanorina ny orinasa «Tena Izy Ka Omeko» ity.
Fampodiana an-tanindrazana
Nisongadina ihany koa anefa ny lafiny ara-politika sy ny sehatry ny fivavahana tamin’ny fivoahan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tany ivelany. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny firaisankinan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ohatra ny resaka nifanaovany tamin’ny praiminisitra lefitra maorisianina. Nibahan-toerana kosa ny tontolon’ny finoana nahazoany fanasana ofisialy manokana tamin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny «Presbyterian Church» tany Korea Atsimo. Nitana anjara toerana lehibe tamin’ny fandresehan-dahatra iraisam-pirenena tamin’ny fampodiana ny filoha teo aloha eto an-tanindrazana moa ity fikambanana ara-pivavahana manana ny foibeny any Etazonia ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.