Miato efa ho herinandro mahery izao ny fanaovana ny “ Permis biométrique” sy taratasin’ny fiarakodia eny Ambohidahy, izay lazaina fa olana teknika amin’ny milina no antony.
Miveri-maina hatramin’ireo avy any amin’ny faritra, toa an’Antsirabe. Efa nisy moa ny peta-drindrina niandry azy ireo tao sy nanondro ny daty tokony hiverenany arakaraky ny “rendez-vous”, efa nomena azy ireo taloha. Ohatra tamin’izany dia ireo nomena fotoana ny 18 novambra dia nasaina niverina ny 25 novambra saingy tsy voaray ihany fa mbola nahemotra indray, dia toy izany avokoa ny daty rehetra. Nambaran’ireo sekoly mpampianatra mamily fiara, fa tsy nampandrenesina nialoha izy ireo ka nidirana fatiantoka goavana ny fitondrana ireo mpianatra saika entina haka sary tany Antananarivo, izay niverim-potsiny avokoa. Raha tsiahivina, nandritra ny 3 taona sy tapany no niarahan’ny faritany sy ny fanjakana niasa tamin’ny Orinasa CETIS, izay notapahina izay rehefa tonga izao fitondrana izao. Nanomboka ny 24 mey dia orinasa hafa no niantsoroka azy, ary nambara fa izao vao tena manara-penitra. Mitranga sahady ny olana, izay nambaran’ny loharanom-baovao tsy nitonona anarana fa ny orinasa nahazo ny tolo-bidy mihitsy no nampiato aloha ny fiaraha-miasa noho ny olana ara-bola. Misy feo mandeha fa toa tsy mbola nandoa ny vola nifanandrify tamin’ny asany ny fitondram-panjakana. Tena olana noho ny fahasimban’ny milina sa vola tsy voaloa no olana ?
Toky R sy Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.