Tao anatin’ny telo andro nijojo be ny rotsak’orana any Toliara. Fokontany maro no dibo-drano tanteraka ankehitriny ary ahiana ho vaky indray ny fefiloha Fiherena. Tokantrano maro sy olona an’arivony sahady no traboina. Hatreny am-pandriana ny rano amin’ireo toerana iva, indrindra amin’ireo faritra iva manamorona ny ranomasina sy renirano. Tsy manainga zipo intsony fa hatreny am-balahana ny rano amin’ny arabe amin’ny fokontany sasany, toy ny hita ao Tsimenatse Ouest I, Mahavatse . . .
Maimbo ny tanàna
Mifangaro voraka amin’ny rano maloto maimbo manempotra ny fako miparitaka etsy sy eroa. Tsy maharaka amin’ny fandraofana intsony ny ny fotodrafitrasa eo am-pelatanan’ny kaominina. Noho ny fiparitahan’ny loto, ahiana ny valanaretina toy ny kolera, raha efa maro amin’izao ny lasibatry ny aretin’ny fitaovam-pisefoana, aretin-kibo, aretin-koditra (baibay amin’ny tongotra). Hatreto, tsy mbola fantatra aloha ny fe-potoana hitsaharan’ny orana mijojo vokatry ny andro ratsy, araka ny fanazavana azo avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.