Raha efa somary nilamina ny tao Tsiroanomandidy tato anatin’ny taona vitsivitsy izao dia niverina nihorohoro indray ny vahoaka any an-toerana ankehitriny noho ny fanafihan-dahalo tao an-tampon-tanŕna.
Dahalo efa-dahy no nanafika sy nikapa famaky tompon’omby ny sabotsy hariva teo.
Sahy tanteraka
Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva tany ho any no niseho ny raharaha. Nihotakotaka ny tao Tsiroanomandidy, tao amin’ny fokontanin’i Soanafindra ny sabotsy 2 aprily teo satria nisy ny tranga tsy tahaka ny mahazatra. Olona efa-dahy, hita tamin’ny bikan’izy ireo sy ny fihetsiny fa dahalo no nitabataba eran’ny tanàna. Nila ady sy nila vaniny tao amina toeram-pivarotana iray izy ireo. Tazana nivatsy antsibe sy pilotra izy ireo, avy eo namonjy trano iray nisy « patron » an’omby. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia mody nitsoka kiririoka ireto dahalo, niantsoantso hoe : « mipodia an-trano aby fa ho avy ny dahalo ». Taitra ny manodidina ka nivoaka nijery izay zava-misy marina. Izay olona nipoitra anefa tonga dia voatoraky ny pilotra avy hatrany, nisy ny tovovavy iray naratra. Avy eo niambina tety ivelany ny roalahy tamin’ireo dahalo sady mandrahona ihany niteny hoe « mivoaha ary izay sahy ». Ny roalahy ambiny kosa niditra ary nanafika avy hatrany ilay trano nisy ilay tompon’omby. Lasan’izy ireo tamin’izany ny lelavola 1,5 tapitrisa ariary ary nokapain’izy ireo famaky ny lohan’ilay lehilahy tompon’omby ary dia maty tsy tra-drano. Lasa nandeha ireo dahalo rehefa vita ny asa ratsiny, ary hita fa tena sahy sy tsy natahotra mihitsy izy ireo. Somary nahagaga ny olona tao an-toerana ny fitarazohan’ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana kanefa dia ao Tsiroanomandidy no misy ny foiben’ny zandarimariam-pirenena ho an’ny faritra Bongolava.
Mila fepetra hentitra
Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa misy vehivavy roa mampiantrano ireto dahalo ireto ary efa nosamborin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Ny alakamisy lasa teo dia efa nisy lehilahy iray ihany koa maty nokapakapain’ny dahalo tamin’ny famaky tany Belobàka, akaikin’i Tsiroanomandidy ihany. Manomboka mihorohoro noho ity tranga fanafihan-dahalo an-tampon-tanàna ity ny vahoakan’i Tsiroanomandidy araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo ary miandry izay fepetra hentitra hanamafisana ny fitandroana ny filaminana any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.