Miarahaba anao manokana ry Jeanne amin’ity 08 marsa Andron’ny vehivavy ity. Tena nalaza an-gazety ianao nivoaka lava tany andafy sy niseho tele matetika ireny an ! Ary tsara mpiaro koa i Jeanne.
Hitako niaro mafy anareo mantsy i Jean fa tsy toy ny fievotrevony isan’andro e ! Tena mafy kosa aloha ny resaka momba anareo tamin’ny haino aman-jery tao ho ao, ka hitako niaka-pofona mihitsy i Jean. Dia tsy misy marina mihitsy ve izany ry Jeanne fa dia tena fanosoram-potaka fotsiny anareo mianakavy daholo ireny resaka mandeha rehetra ireny ? Ary naninona no tampoka dia tampoka ilay fanovana ny olona teo akaikinareo ? Sa misy tsiambaratelo nivoaka na natahorana hivoaka ka dia tsy nandrasana ho dify akory ny 08 martsa dia nailika ilay andriambavilanitra teo akaikinao ? Ny nantenaina hosoloina haingana ity toa mamikitra tsy mety miala. Sao izany koa no mahatonga an’i Jean handray ny tsy fandray tao ho ao fa tena mila hamoy fo ? Koa mihevera àry sao ho tratra aoriana loatra e !
Marco, tsy mitsahatra ny mananatra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.