Actualités

Mifoha ny fitakiana sendikaly maro Mananontanona sahady ny fidinana an-dalambe


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Manomboka ny fitokonana sy ny fitakiana samihafa amin’izao. Io efa niaraha-nahita io ny grevin’ny mpianatry ny sekoly Politeknika eny Vontovorona.

 

 

Asa na hanova zavatra ny fivoahan’ny vatsim-pianarana iray volana tara sy ny fampitaovana miampy ny vatsim-pianarana faharoa ka hatramin’ny fahadimin’ny volana. Manome fe-potoana 48 ora ihany koa ny Sendikan’ny mpiasan’ny Jirama amin’ny hamerenana ny naman’izy ireo. Efa hatry ny ela no nitakian’izy ireo ny fijerena ny fifanarahana tamin’ireo vahiny miara-miombon’antoka amin’ny Jirama, izay mahazo tombontsoa mihoapampana, ka asa na hahavaly ny fitakiana ny fanambarana am-bava nataon’ny praiminisitra fa tsy ekena intsony izany, ary kianin’izy ireo ny tsy fahaiza-mintantana amin’ny endriny samihafa. Ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar ihany koa mitovitovy amin’izay ny fitakiana tsy mbola nivaly dia ny famerenana ireo mpiasa nesorina noho ny hetsika sendikaly izay efa nomen’ny fitsarana rariny. Mety hifoha ny fitakiana. Ny sendikan’ny mpampianatra ihany koa dia tsiahivina, fa tsy nahafa-po ny fitakiana, ary nisy ny fampanantenana toy ny hoe hodinihina amin’ny fandinihana ny tetibolam-panjakana manaraka, saingy tsy nisy resaka. Ny avy amin’ny sendikan’ny polisy ihany koa io mbola mifanenjana amin’ny fanjakana io noho ny fampiatoana sy fanesorana ny asa nataony teo aloha. Na tsy afaka midina an-dalambe aza, dia milaza fa tsy manaiky lembenana ary tsy mihemotra amin’ny fitakiana. Ny saran-dalana ihany koa io efa fantatra io fa hiakatra ny an’ireo taksibe mihazo ny RN1 toa an’Ampitatafika, Vontovorona, Imerintsiatosika manomboka ny 10 martsa,… Ny vidim-piainana miakatra, ny valan’aretina tsy voafehy, ka mety hivadika ho hetsika goavana miaraka na fidinana an-dalambe ny fitambaran’ireo fitakiana sy famahana ny olana ara-tsosialy. Kepoka ny fanjakana, ary tsy dia mahita horaisina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT