Actualités

Mifamono an-kolaka


  • Zoma 09 Desambra 2016

Tafiditra ao anatin’ny vaninandro fety isika mianakavy izao.


Na samy variana amin’ny rotorotom-piainana andavanandro aza dia ilaina ny mampitodika ny saina amam-panahy. Izay rehetra anontaniana dia milaza fa mafy noho ny tamin’ny taon-dasa ny miatrika ny fety tamin’ity taona ity. Ny mahagaga anefa dia tsy mifampitsinjo isika mianakavy. Vao tamin’ny herinandro no niely ny fiakaran’ny vidin’ny entana. Toy ny isan-taona dia voalaza fa manararao-pety ny sasany ka mirongatra indray ny fanafenana ireo entana ilaina andavanandro. Mampitandrina ry zareo avy anivon’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa mirongatra ny entana lany daty eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fety izao. Ny mpitondra efa manao ny ataony, isika entina koa ity manary ny kolontsaintsika. Hifamono amin’ny endriny an-kolaka toy izany eto foana isan-taona ?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT