Nanidy varavarana avokoa ireo mpivarotra tao an-tanŕnan’i Midongy Atsimo omaly. Ny antony, notafihin’ny jiolahy mitam-piadiana ny mpivarotra iray tao an-tanŕna ny alin’ny alatsinainy teo.
Naratra tamin’izany ny mpivady tompon’ny toeram-pivarotana, ary lasan’ireo jiolahy ny vola roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary. Tezitra ireo mpivarotra, ka nirohotra namonjy ny biraon’ny Distrika. Ny lefitry ny lehiben’ny Distrika no nandray azy ireo, nitarainan’izy ireo amin’ny tokony hanamafisan’ny mpitondra sy ny mpitandro ny filaminana ny fandraisan’andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna. Nahoana no tonga manafika ao an-tampon-tanàna ny jiolahy nefa feno zandary sy miaramila ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.