Midongy indray i zandry kely,
Tsy hankeny Iavoloha ?
Izany ve no mba modely
Tena mendrika ho filoha ?
Zatra toton`ombibory,
Ka manao tsy am-piheverana.
Ary tsy mankaiza akory
Fa mitokona am-pitoerana.
Teny tena sarotra aminy
`Zany hoe “ `Ndeha hifamela”.
Fa ny tiany sady maminy,
Ary voiziny hatry ny ela.
Dia ny hamaly faty lava,
Sy hifanenjana hatrany.
Ny hanapotika sy handrava,
Raha tany koa ny tany.
…Zatra resaka mivaona,
Tsy araka ny fanekena.
”Toy ny zaza folo taona
Te hitondra firenena."
DADAN`I ZINA(08-01-15)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.