Actualités

Midangana ny vidim-piainana ao Tolagnaro 2100 Ar ny kapoakan’ny kafe, 700 Ar kosa ny vary


  • Zoma 28 Novambra 2014

Miakatra andro aman'alina ny vidin'ireo entana ilain'ny mponina andavanandro, anisan'izany ny kafe. Tao anatin'ny fotoana vitsy, niakatra ho 2100Ar vidin'ny kapoaka iray raha 1800Ar izany teo aloha

. Noho ny fiovan'ny saran-dalana sy ny vokatra tsy ampy no antony, izany hoe tsy namokatra firy ny mpamboly. Ireo manana tahiry na stoky efa ela be no manararaotra mampiakatra ny vidim-bokatra. Niova ho 200Ar kosa ny iray tasy raha100Ar izany teo aloha. Mahakasika ny vidim-bary manokana, efa mahatratra 550Ar ny kapoaka amin'ny vary vahiny ary 700Ar ny ny vary gasy. Azo antoka ny hiakaran'ny vidim-bary ho any amin'ny 900Ar ny vary gasy ary 600Ar ny vary vahiny any amin'ny faran'ny taona raha tsy misy ny arofanina apetraky ny sampandraharaha misahana ny varotra sy ny fanjifana. Mbola miaina anatin'ny fahasahiranana ny mponina. Ny asa rahateo tsy mbola misy, voatery manao ny tsy fanao ny olona mba hitadiavana ny hanin-kohanina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT